NY FEONAO RY ERITRERITRO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FEONAO RY ERITRERITRO…
Any am-parahatoka any, misy feo mihika mafy,
misy ako te hivoaka, sy alahelo izay tsy tanty,
te hiteny ankatezerana, hibedy ahy noho ‘reo vita,
noho ‘reo zavatra nataoko, vokatry ny ditraditra.

Ny feonao ry eritreritro, no hany mihazona ahy toy izao,
saingy ianao dia niniako, tsy nohenoina tsotra izao,
ny feonao no arofanina, tsy nampianjera ahy fahiny,
indrisy anefa ankehitriny, totofa-nenina aho sy tsiny.

Solafaka aho ka tsy tafarina, noho ‘reo zava-nofinidiko,
nefa anie ry feo tsy mianona, mbola tsy efa ny adidiko,
mbola misy zava-maro, navelan’ny foko naka toerana,
misy koa ireo andraikitro, toa hila tsy hanam-pahataperana.

Ny teny tsy nasiako lanjany, no nandràtra ny fon’i Neny,
narary azy ireo tabatabako, kanefa izy tsy niteny,
ny ompaompa naloa-bavako, no nahatezitra an’i Dada,
saingy nangina teny izy, fa toa tsy mba nivazavaza.

Any am-parahatoka any, misy feo mitroatra mafy,
miezaka mamboraka amiko, ny tebiteby izay tsy tanty,
mimonomonon-tsy ankiato, amin’ny saiko ny zava-pantany,
any ihany no mba misy, feo mihazona ny sampany.

Feo mitàna tsy ho tinapaka, ny rantsandrantsana mamony,
feo mamolaka ny fo, sy ny saina mba ho tony,
feo mananatranatra ahy, hanova hatrany ny fijeriko,
feon’ny eritreritro iny, ilay nampisosa izato peniko.
RRAG
14 Mey 2018
--------
Rohy:
825 1
Mpakafy: andrianarivelo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203