RAHA HO ANY IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HO ANY IANAO…
Raha ho any ianao dia indro, hafa-dranomainty,
misy diam-peniko, manafatrafatra azy,
ento hovakiny, ahatsapany ireo tsy tanty,
nahatonga elanelana, ka dia nanapa-tady.

Aza asiana akory, teny hoe famenony,
fa avy dia atolory, ny taratasy alefako,
ahatsapany hatrany, fa mbola tsisy solony,
fa izy irery ihany, no voatonon'izato lelako.

Raha ho any ianao dia, aoka hanaiky hitondra,
'ty raozy vao notazako, ho solon’arahaba,
fa izy hono hoe, mbola ao am-ponja,
am-ponjan'ilay fitiavana, fitiavana fahazaza.

Mametsovetso hatrany, irony dingam-bita e!
Mamerina manaraka, ireo lala-nolalovana,
mibanjina 'reo toerana, 'zay zary nangatsiaka e!
Satria nangina irery, fa efa toa nilaozana.

Raha ho any ianao tsarovy, 'ty oroka an-takolaka,
miendrikendrika veloma, mba atolory azy,
izy hono hoe, tsy hiandry fo mangoraka,
fa raha sendra tiana dia, 'ndehana manam-bady.

Raha ho any ianao dia indro, taratasy farany,
voarafitry ny foko, mirakitra tso-drano,
arahako valopy, misoritra ny anarany,
hilaza azy hoe: “Maharena tokantrano”.

Sambatra hono izy hoe, fa sendra tia ianao,
ka mahità ‘zay soa, kinendrin'ny fitiavana,
sambatra hono izy hoe, raha sambatra ianao,
fa ny anareo o! Efa tsy fandaharana.
RRAG
22 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - embona - Alahelo
690 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232