You are here: home > Vetso

RAHA MBOLA FITIA… - RRAG

RAHA MBOLA FITIA…
Tsy ho ampitahaiko amin’ny lisy eny antsaha,
na ho ampitoviako amin’ny raozin-jaridaina,
raha ny fitiavako anao ry ‘lay sila-panahy,
dia tena feno, ka lanin’ny maso, ny fo sy saina.

Niavaka mantsy ny niandohan-tantara,
pejy nosoratan’ilay avo indrindra,
ianao tokoa amiko ilay safidy sy anjara,
tokan’ny foko e! Ka tsy afaka hafindra.

Tohana ho ahy, nahafahako niroso,
r’ilay sila-panahy, izay sila-n’ny foko,
tsy manan-tsahala, fa miavaka indrindra,
ka rariny ry tiako, raha toa tsara rindra.

Tsara firafitra sy mafy fototra ny fitiavantsika,
raha mbola fitia e! Dia tsy hety hangatsiaka,
ka tsapa hatrany fa tena hoe mifameno,
k’izay tsy zaka, malala a! Eo re mba teneno.

Raha ory ianao, ny foko no ontsa,
raha reraka ianao, ny aiko no vontsa,
malemy tsy satry ny atin’ny saiko,
raha ny holavitra anao, tena tsy ho haiko.

Raha mbola fitia, dia tsy hisy hahasolo,
ny fitiavanao ahy, toa injay tsara kolo,
mahay mizara, izay mety ho hafaliana,
dia miara-mizaka, ‘zay ho fahoriana.
RRAG
06 Febroary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha