RAHA SAMY HIFIDY IHANY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA SAMY HIFIDY IHANY...!
Raha samy hifidy ihany, tian’ny tsy tiana,
sa hitia ny tsy tia, dia aleo tsy misy akory?
Fa sarotra ny hamatotra, fitia iray nirina,
k'aleo ny fo hangina, aleo izy hatory!

Tsy misy mahatsara, ny mitia tsy tia,
na miaraka amin'ny tsy tiana, raha olon-kendry ianao!
Fa izy roa ireo, dia endrika, fihatsarambelatsihy,
mety hamela fo, fo maro hitalaho!

Ka raha samy hisafidy, hitia ilay tsy tia,
na hotiavin’ny tsy tiana, dia sarotra ny tantana!
Satria ilay fo nofonjaina, nosetraina, sanatria!
Toy ny jabora, mihahy amorom-patana!
Dia aleo tsy misy, tsy ary akory ny aina,
satria ny iainana eto, dia tsy maintsy ho taraina!
RRAG
21 Mey 2017
--------
Rohy:
854 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017