You are here: home > Vetso

RAHA SAMY TANY KOA...! - RRAG

RAHA SAMY TANY KOA…!
Ianao hoe te hitondra ny tanindrazanay?
Ento aloha ‘zahay!
Ovao ny fiainanay ‘zay resim-pahantrana,
Asehoy ‘lay fihantrana!
Fa tsy hisy velively tany afaka hiroso,
Raha toa ‘zahay tsy handroso!

Tsy lavinay ‘zay vina entinao mitraotra,
Mba ho harin’ny vahoaka!
Raha toa ny maha olona no fototry ny kinendry,
Mpitondra olon-kendry!
Afaka hanolotra ny heriny rehetra ka hitsinjarazara,
Ny soa sy ny tsara!

Omenay anao ‘zay seza ilaina,
Raha toa ka vory saina,
Efa tena vonona hanova ny fahiny,
Ho zary ankehitriny!
Ilavi-pahantrana ka afaka iainana,
Hampitonitony, ny atin’ny fisainana!

Raha samy tany mantsy dia hafa koa ny anay,
‘Ty Gasikaranay!
Reny mahay mitsinjo ny ho avin’ny taranany,
Reny tia ny zanany!
Ka ny hahafaly anay hihibo-pahasoavana,
No injao kendreo rahavana!

Ianao hoe te hitantana ‘ty nosy maminay?
Tantano aloha ‘zahay!
Dia ovao ny fanahy sy toetra efa nahazatra,
Nahatonga irony lasa!
Namotika ny efa sy ny harin’ireo taloha,
Eo! Ovao koa ny fo.
RRAG
05-10-2018



Hametraka hevitra

Midira aloha