RANGO-PITIAVANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANGO-PITIAVANA…
Ilay noheverintsika ho odin’ny alahelo,
no zary poizim-po nanondraka talaho,
lasa lelan’afo mireda sy mihelo,
nandrava ny fitia narafitro sy ianao!

Ilay noheverintsika ho rano tsy hampalazo,
no danik’andro handoro ny fitia mandrobona,
‘lay fandravana aretina natao ody tazo,
no zary lasa tosika nahaleo monina!

Rangotra fitia nanataka ny fo,
ny fitiavana noheverina hitsabo irony ràtra,
rangotra fitiavana narafitr’olon-droa,
no indro rivo-doza nandrava irony kasa!
RRAG
20 Septambra 2018
--------
Rohy:
706 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219