You are here: home > Vetso

RY AIKO... - RRAG

RY AIKO...
Mbola tsy hary ianao ry aiko,
dia efa tiako sy lalaiko,
efa hoariko amin'ny tenako,
toa ritsodritsoky ny fonenako.

Ka ny heriko rehetra,
sy ny aiko tsisy fetra,
dia atokako ho anao,
na mbola tsy hary aza ianao!

I Dada efa maika ery,
maika hizara ny fitia,
i Neny tsy mahandry hitrotro,
i Dada koa mba te hibotro!

Ry aiko! Mbola tsy hary ianao,
dia reko izany mitalaho,
reko miangotingoty,
asa mitady, angamba rotsirotsy!

Mbola tsy hary ianao dia tian'i Neny,
ny ainganao no zary hery,
mbola tsy hary ianao lalain'i Dada,
tsy andriny! Ianao 'lay mba hibadabada!
RRAG
21 Septambra 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha