SAFIDY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDY...!
Zanako ianao, na tsy naloakan-kiboko,
zanaka naterako, ary koa safidiko,
sombintsombin'ny aiko, na tsy terako aza.
Zanako ianao, hatramin'ny mbola zaza!

Safidy, ilay anaranao fiantsoko,
zary ainga iray nanosika, sy namafa ny tomaniko,
fa toy ny andry hiankinana, ary koa hianteherana.
Safidy, tsiky ianao fa tsy ho fahatezerana!

Zanako ianao, iray foto-drà amin'ny foko,
silako sy aiko, faka iray tsy foiko,
namaritra fitia, nanolotra ahy ny zo.
Ny nipoiranao dia, nitondra zava-tsoa!
RRAG
22 Septambra 2018
--------
Rohy:
954 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172