TAO TOKOA MOA IZANY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAO TOKOA MOA IZANY...
Tao tokoa moa izany, ry rafi-tsoratra miteny,
no notsongaiko sy nakako, vitsivitsy tamin'ireny,
nentiko nandrafitra, vetsovetso ho an'ny mila,
nentiko nanembona, ireo namako efa dila.

Tao no nisintonako, hevitra sy drafi-teny,
nandrotsiako fo tomany, gina tsy afaka niteny,
nolazoin'ny ferim-po, sy ny setrasetran-tany,
ka nandretoka nisaona, dia resin'ny tomany!

Tao tokoa ry tenindrazako, no namolavola ahy,
hanam-po hahay handefitra, hampitony ny fanahy,
hampahery ireo mizoga, fahoriana tsy efan'ny ainy,
hampitony ireo mivesatra, tebitebin'ny adin-tsainy!

Tao aminao avokoa, no nahaizako namantatra,
izay eny an-tampon-doha, ka nantsoiko hoe lanitra,
fanjakan'ilay Raiko, isan'ny nikolo anao.
Ry tenindrazako lalaiko, tody soa ianao!

Ka rariny raha toa, ho arahabaiko ianao anio,
nahatosika fivoarana, nondesin'ny tadio,
hamotehana ny efa, sy ny vitanao rehetra.
Ry tenindraza-mamy tiako, resinao ny setrasetra!
RRAG
21 Febroary 2019
--------
Rohy:
682 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207