TOKY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKY…
Firifiry moa izao, ny toky fitaka niloaka,
tamin’ireto vavanao, teny imason’ny vahoaka?
Ka maika ery mampanantena, nofinofy tsy ho vita,
marina raha tsy hitroatra, hifoha hatramin’ny razantsika.

Firifiry ihany koa, ireo sahirana tafita,
noho ny ezaka natao, sy ny asa hoe mba vita?
Ka ny hasasaranao, no takalon’izy ireny,
fa tsy ny efa eny an-tanany, sy ny haren’ny fireneny.

Firifiry ireo hoe noana, no mba novokisanao,
sahy ianao ve nanafoana, ireo asa tsy fanao?
Ka dia nanolotra, lalam-bao, ho an’ireto havantsika,
ny toky fitaka e! Fa aleo ny atao no hita.

Tsy ny toky aloakanao, na ny velirano atao,
tsy izay rehetra ambaranao, hoe izao sy izao,
no hanafoana ny hanoanana, efa nianjady hatry ny ela,
fa ny fahaizanao manaja, irony dinam-pirenena!
RRAG
22 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
682 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167