TOMBAN-DEHILAHY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMBAN-DEHILAHY…!
Dray re ry tany! ‘Ty maso manombana,
toa avy aty aoriana no mandanjalanja,
izay ve izany, ilay hoe fanovàna,
mba ahafahany milaza fa hoe tena manja?

Ny halehibeny moa izany sa ny hafisahany,
no tiana hotinazana amin’izato jinery?
Ny fihontsony koa ve sa mba ny fironany,
no tian-tinazanina an-jipo tery?

Avy eo indray ‘ty maso! Manombana anoloana,
mibanjina mafy ‘ty voasary roa,
dia mahavatra mihitsy! Mandany fotoana,
raha tsy izany ve izany tsy tian’ny fo?

Topazany maso amin’izay ny endrika,
mitsiky ny anao raha vao mahataratara,
fa raha hafa no izay dia ho hila ho rendrika,
‘ty masony mijery toa miadaladala.

Misy koa ao mitinazana loko,
jinereny hoe mainty sa fotsy ianao,
misy tsy menatra manavaka foko,
rehefa tanindrana dia halany tsotra izao!

Ny lehilahy matetika tsy mijery toetra,
fa rehefa laniny ny bika sy endrika,
dia aminy izay angamba no fetra,
nefa tsy fantany fa mety io no handrendrika!

Tsy lavina koa irony mijery volo,
hoe tsotra sa ngita ny an-dohanao?
Fa ny tena izy, ianao ve mahakolo,
ny vatana sy ny endrika anananao?
RRAG
17 Mey 2018
--------
Rohy:
1167 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213