You are here: home > Vetso

TSIARO...! (MALALA A!) - RRAG

TSIARO...! (MALALA A! .... 1 Febroary 2018)
Tsy tefy ianao tsy zaitra, fa volavolan-tany,
rafi-tanimanga, vita tsara kaly.
Sombin'ity aiko, ny aina ao aminao,
malala a! Tsy hary ianao moa hisy izaho?

Tsy mendrika akory, ny ho hary raha izaho,
raha toa anie malala ka, tsy hisy avy ianao.
Tsy satriko ny hovelona, ilavitra anao,
na ho haizina aza no iainako, rakofan'ny talaho.

Hary izany ianao o? Eny! Tena misy ianao,
ka rariny raha toa, ka hisy koa izaho.
F'isika izao 'lay hoe, tanana sy rantsany,
mifameno foana, tsy tohitry ny sakany.

Napetraka ho hisy, navola mba ho hary,
narafitra hitoetra, ho voajanahary.
Natambatamba-tsaina, ho singa iray sy tokana,
navahana ho ahy, ho anjarako manokana.

Raha toa ka misy ianao, kanefa tsisy izaho,
dia nofy ampitsanganana, izay rehetra hitoeranao.
Ihany koa hoe tsy eo ianao, saingy io izao aho,
dia aloka avokoa 'zany, izao tontolo izao!
RRAG
01 Febroary 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha