TSY LAVIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY LAVIKO…
Zandrivavy a! Tsy laviko aloha fa,
raitra dia raitra, ny fihaingom-bahiny,
saingy indrisy fa, ny saina sy fo anefa,
toa tsy manaiky, anao amin’iny!

Aiza kosa ka zipo, efa ho am-poto-pe,
mamenatra loatra ny olo-misaina?
No indesinao, mba hirehareha,
amin’ity andro tsy inona, fa vao maraina.

Ny lehilahy ry zandry, hijery eny foana,
na inona fitafy, mety ho an-koditrao,
fa indray andro any, dia hisy fotoana,
hahitanao ny sampona, noho ny fitafianao.

Ny maso mijery hoy ianao, tsy mitondra mody,
tsy laviko izany, fa hafa kosa ny an-tsaina,
fihetsika kely anie dia, ity no tsarovy,
mety hanolanany anao, ka hiantraika aman’aina.

Satria tokoa, rehefa tsy azony mora,
dia alainy an-tery, amin’ny fomba mamohehitra,
ka tsy ho hitanao akory, ny fihodin’ny ora,
dia ianao mitomany, mihosin-drà mivoreraka.

No tinazanao, ka hanomezanao tsiny ny hafa,
na koa haneho fahatezerana, ny lanitra ambony,
kanefa ry zandry raha nohenoinao, ny anatra lasa,
dia tsy laviko koa fa ilavitra anao, ‘ty andro mahory.
RRAG
12 Mey 2018
--------
Rohy:
829 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215