VELA-PANDRIKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELA-PANDRIKA…
Mientana mafy toa hila hitroatra,
midoboka mafy efa hila hipoaka,
misento mangina tsy misy mpahalala,
mitia ny tsy tia toa efa ho adala.

Dia misetra tokoa lahy fa hoe manan-tsaina,
miseho miziry tsy mba mpitaraina,
ka atao haza jono ny fo ‘zay marefo,
fo efa leo sy drodro-misefo.

Zary fandri-boalavo ny tena fitia,
terena tsy satry ny hifankatia,
natao vela-pandrika hihazana ny tiany,
dia tinerena hitovy ny hoe faniriany!

Ny fo indray izany no tsy maintsy hizaka,
ny fo no tsy maintsy hilanja izay ràtra,
ny fo no voatery hitia noho ny saina,
ary mbola ny fo no tsy maintsy hizaka taraina!

Vela-pandrika navoly no hamotehana vina,
ny saina anie no jamba fa ny fo tsy mila e!
Dia toa tsy manam-pidiny amin’ny setra sedraina,
ka ny mpisetra hitony dia izy horàtraina.
RRAG
18 Septambra 2018
--------
Rohy:
666 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219