ZANAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAKA…
Torovana loatra ny fo leo mitroatra,
mangidy ny fiainana tsy maintsy lalovana,
angamba kosa e! Tsy rariny loatra,
raha ny efa mitovona no mbola hatovana.

Mandràtra tokoa kay ny misetra ny fiainana,
fa misetra tena raha manao toy izany,
nefa ny anaty mbola mihibo-panaintainana,
dia mandretoka foana ny fo mitomany!

Irony hono izao toa hoe zana-dalana,
leo ny esoeson’ity fiarahamonina,
kivy amin’izato sedra mibahana,
sy ny vavam-bahoaka tsy mitsaha-mimonona...

Ka mba maniry e! Ny ho zana-tany,
mba hiova fitoetra fa lao fanesoana,
tena efa kivy sy rerak’izany,
ka mba te higoka ny hoe fandrosoana.

Saingy tsy fantany fa iretsy farany!
Efa tsy tamana amin’ity sarim-piainany,
ka mba te ho zanaky izany lanitra izany,
any angamba no mba hihaino ny fitarainany.

Ny zana-danitra a! Moa koa ve mba tamana?
Fa toa efa drodroky ny tampin-tsofiny,
tsy nisy valim-bavaka ireo fanajana,
ka taolana foana fa toa tsy ho nofony.

Raha tombanana imaso dia samy te hozanahana,
hiova fiainana sy Reny niteraka,
nefa ve ireny hanaiky hisahana,
ka tsy hijery fotsiny, na hitehatehaka?

Zanaka! Hampiova inona ny fiovàna fototra?
Kanefa ny omaly toa omaly ihany,
ny lasa sy ràtra aza mbola tsy tototra,
dia maika ho zana-danitra na ho zana-tany…!
RRAG
08 Oktôbra 2018
--------
Rohy:
991 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201