DIA VOATERY VE... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA VOATERY VE…

Raha maratra izy any, ka hositraninao ny fery,
Raha izy ka tomany fa mahatsiaro tena ho irery;
Raha miandrandra hazavàna ny ampitso sy ny ho aviny,
Raha toa ka ny hafanàna anilanao no tadiaviny;
Dia voatery ve ianao
Nanamaizina ny amiko;
K’izay mba tsikiko hatrizao
Nofaohinao fa hoe nindramiko?

Raha omenao hasambarana sy hafaliana izy any,
Ka ny alahelony hifarana, horitra koa ny tomany;
Raha izy te hiaina hanitra sy rivo-bao,
Ka ho lavitra taraina sy ireo sento mankalao;
Dia voatery ve ianao
Nanamaloka ny androko,
Ka nofongoranao ho lao
Izay mba anjara masoandroko?

Raha ho tretrika ianareo satria tia anilan-tiana,
Ka ny ady hifarana eo, ireo disadisa koa hangina;
Raha ny mamy hatrizao ho hany hotohofanareo,
Ary lala-mahitsy vao no indro hodiavinareo;
Dia voatery ve ianao
Namoha indray ireo rofiko,
Ary dia narodanao
Hatramin’ny fara-nofinofiko ?

Ryana
(20/08/07)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana - Alahelo
1637 1
Mpakafy: Ryana
Hevitra mandeha
misset ( 21/08/2007 12:55)
tsy dia azoko tsara ny tian'ilay tononkalonao hambara, dia tsy tiko ilay izy
Ryana ( 21/08/2007 14:08)
"Tsy tafa... " araka ny fiteny izany ny tiako hambara!!! Misaotra nitsidika na izany aza ry MIsset â!
Ryana
tslem ( 22/08/2007 11:56)
mila mandinika tsara ianao ry misset vao hazava tsara aminao ilay izy a, aza maika fotsiny ny hamaky.
Ryana: tsara be ilay tononkalo fa mampalahelo.
Ryana ( 22/08/2007 13:12)
Misaotra an'i Tslem! mety ho "tafa..." ihany izany ny tiako nambara. Mampalahelo ve? Angamba... Izay ilay fianana indraindray ê! MAnkasitraka.
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149