MBOLA HISY... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA HISY...

Misy andro, indraindray,
Zary toa nifamotoana ny olana sy ny ankaso
Ka miara-manao haody eo an-tokonanao;
Toa nifanome teny ny aloka sy ranomaso,
Ka indreo fa mitambatra: maizina ny andronao;

Ny anjara ve no efa ratsy sa izay no voalahatra,
Efa voasoratra any ve sa izay no jadon’ity tany?
Satria anie tampoka teo dia zary gina sy nanjahatra,
Ireo mba kely fanantenàna? Sina, foana, lasana any…

Dia zary manontany tena hoe inona no ratsy vita,
Nisy ve ny tsy voahefa ka migadona ny sazy?
Sa ny eritreritra no nivaona, ka nisidina, niampita
Ary nitety habakabaka tsy voalahatra ho azy?

Dia tsy hita ny hatao, mangidy hatramin’ny ativava,
Na ny nofinofy aza tsy sahy akarina intsony;
Hany hery dia mimaona f’efa leon’ny vazavaza,
Saingy miandrandra, manantena fa mbola hotafita ny ony.

Ryana
(07/03/08)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fanantenana
1924 1
Mpakafy: Ryana
Hevitra mandeha
sejianis ( 16/03/2008 11:22)
Mavesatra!
Manondro!
Misaotra !
Ryana ( 28/03/2008 19:44)
misaotra nandalo ê!
Ryana
raozigasy ( 06/04/2009 17:21)
MISY ANDRO

Misy andro indraindray
Zary toa mifamotoana, ny olana sy ny ankaso

Misy andro indraindray
Toa ianao irery foana, No milatsa-dranomaso

Misy andro indraindray
Mikomy aminao daholo, Ry Fitsikiana, sy ry Faly

Misy andro indraindray
Manjombon-dava ny tontolo, Feno atambo, loza, jaly

Misy andro indraindray
Fanirianao ny ho faty, F’ efa tofoka hakiviana

Misy andro indraindray,
Feno ny kapoaka anaty, hiboka ny fahoriana

Rehefa sendra izay ianao
Dia mandohaliha, ka mivavaha, ary miandrandrà ny lanitra

Rehefa sendra izay ianao
Dia akaro ny fanahy, fa hihaino anao Andriamanitra
fahamarinana ( 27/05/2009 08:26)
Rahoviana tokoa vao tsy hisy intsony ilay andro tahak'izay ?...Mahalasa saina ihany !
Misaotra fa mampieritreritra tanteraka ry Ryana !
Ryana ( 30/05/2009 08:29)
Efa anisan'ny zavatra voalahatra iainantsika angamba izay ry Fahamarinana. Saingy azo hihoarana, misy foana ny fanantenana, araka ny voalazan'i Raozigasy, rehefa ankinina amin'ny Avo ny fiainana rehetra.
MIsaotra anareo nandalo tato.
Ryana
mangidy ( 30/05/2009 22:31)
Any hafatro aminao, aza kivy mahereza
Fa Io rahona io isava, mbola ho resin'ny mazava
Ko ankehitriny izao,mivavaha ho ahy sy ho anao
Mba ho tahian'ilay Tsitoa ananantsika fiadanampo.


Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154