RAHA IZAY... (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA IZAY...

Na inona ho sanda,
Na inona ho fatra,
Na inona ho lanja,
Na inona ho ratra...

Na inona ho takaitra,
Na inona ho fery,
Na inon-tsy ho laitra,
Na inona ho very...

Na inona ho ngidy,
Na inon-tsy ho telina,
Na inon-tsy finidy,
Na mety hanenenana...

Na inona haterany,
Na inona ho voafafa,
Na inona hazerany,
Na inona ho lasa...

Raha izay no làlana
Fa tsy misy ny safidy,
Dia izorana, andehanana,
Tsy zoto fa adidy!

Ryana
(28/11/02)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Ady
1486 1
Mpakafy: sakapiso
Hevitra mandeha
Aino ( 19/10/2006 09:15)
marina izany anao izany!!
toetra ( 08/12/2006 23:02)
Tsara !
tikitaky ( 28/02/2007 08:49)
Ny adidy tsy an'olon-dratsy nefa na ny olon-dratsy aza manana adidy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144