REHEFA TSY EO IANAO... (Ryana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY EO IANAO...

Rehefa tsy eo ianao,
'Zary babangoana izay rehetra jereko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny fiainako misaona, tsy misy intsony ekeko;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko zary maona, miantso fa tsy reko!

Rehefa tsy eo ianao,
Tsy misy zava-bitako, toa very remby aho;
Rehefa tsy eo ianao,
Izay mba nofaritako toa zavona mandao;
Rehefa tsy eo ianao,
Ity fangitakitako, tsy mba ho takatrao!

Rehefa tsy eo ianao,
Izaho miandrandra hatrany ny fihavianao;
Rehefa tsy eo ianao,
Ny saiko maminany, lasa aiza re ianao?
Rehefa tsy eo ianao,
Ny foko mitomany, maratra anaty ao!

Rehefa tsy eo ianao,
Ity fisiako mihintsy no tsapako tsy ilaina;
Rehefa tsy eo ianao,
Ireo fahavalo tsy mitsitsy, mikendry hanala aina;
Ka raha mba azo hatao:
Ataovy andro vitsy... Faingàna sombinaina!

Ryana
(04/09/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona
1920 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142