Tsy ho ahy! (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO AHY !

Efa fantatro anie f’iny namako iray iny,
Dia hiserana ihany, handalo satria mpivahiny ;
Efa fantatro ihany koa, fa ny foko no adala,
Nanantena hampiantrano vorona handao ny ala...
Fantatro fa samihafa
Ny tontolo misy anay,
Raha an-tserasera no mitafa
Dia mitovy izahay...

Efa fantatro anie fa fitserana ahy ihany
No nahatonga azy niondrika, nanarina ahy tam’ny tany;
Efa fantatro, f’izaho no te handrebireby saina,
Ka niandrandra fa amin’azy no hizarako ireo maraina...
Fantatro fa diso aho
Nanantena diavolana,
Kinanjo orambe mitraho
No namonto ity foko tonana!

Efa fantatro anie fa raha ny marina no marina,
Tsy ny toa ahy mihitsy no mba iriany hofantarina;
Fa noho ny fony antra olona, ary noho ny fiaraha-monina,
No nahatonga azy nampahery, nampionona;
Kinanjo hafa no niseho,
F’izaho nareniny indray
No niangavy, nitoreo
Hoe aoka hisy ny “izahay”...

Fantatro, izy tsy ho ahy, ka ny mba teniko farany,
Fahasambarana ho ahy ny nifanojoako tamin’ny làlany,
Lahatra samihafa mihitsy no voasoratra ho anay,
Faly aho nahalala’azy... ataoko ampy ho ahy izay!
Isaorako ny Ao Ambony,
Ary mbola hiangaviako,
Hanome ahy fo tony
Hanohizako ny diako...

Ryana
(28/03/03)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
2385 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
andriary ( 15/10/2004 11:43)
Efa matihanina ny fomba fanoratanao!tiko lay tonokalo!!!!
Lay toetran'ny mpiventso eto no tena mahababo ahy!!!feno fandeferana ...sy fahavononana hionona!!tsara...
Ryana ( 16/10/2004 11:33)
Misaotra nitsidika Andriary â!
tinah2 ( 16/09/2006 08:15)
Ryana a! Tena mafy ange ny manadino e ! Angamba hoy aho ny fitiavana ve no omena tsiny sa ...?...asa nefa ! ny fo anefa tsy mahay mionona . Adala tokoa ry Ryana izay tia , nefa asa hoy ianao?Toy hoatra ny midoboka iray ny foko teo am-pamakiana an'ilay tonokalo iny sady nisento kely ; merci Ryana
Ryana ( 18/09/2006 04:44)
Tinah2,
Mafy tokoa ny manadino, nefa indrauindray tsy maintsy hoe izay no làlana izorana. Misy namana milaza fa aleo "farany mafy" toy izay "mafy tsy mifarana" ("Mieux vaut une fin d'horreur que l'honneur sans fin") .
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141