VERY HEVITRA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VERY HEVITRA

Sambatra sy tretrika ny foko sy ny fiainako,
Vangian’ity masoandro;
Nanolatra ny feriko, nitony ireo tarainako,
Mazava teo ny andro.
Saingy minitra vitsy no hany mba anjarako,
Mandalo ihany izy iny;
Ka zary hainzin-kitroka no manaron’ity làlako,
Hatsiaka sy hirifiry.

Finaritra aok’izany ny masoko mibanjina
Ny volana baliaka;
Tanteraka anatiko ny hazavany lalina,
Ny tara-manjopiaka.
Saingy tsy hitahita teo dia rahom-be mitraho
No manarona azy iny;
Ka toy ny voron-kely notinapa-kelatra aho
Rehefa nidifiany.

Mitondra aina vao ny loharano an’ala
Raha sendra hetaheta;
Dia te hanaram-po, hitohoka tsy hiala,
Higoka ts’isy fetra.
Saingy toa adinoko f’izy iny ho lasa ony
Ka tsy hita intsony ho namana;
Na te hiroboka aza aho, tsy afaka intsony,
Hany heriko mitazana…

Ka very hevitra aho, tsy hitako ny hatao,
Inona no mety;
Mamy, tena mamy ny fihaonana aminao
Na dia hoe vetivety;
Nefa mafy koa raha mafy ny miverina amin’ny haizina
Rehefa nahita hazavàna;
Ary fara-fahoriana, mangidy tena tsy azo laizina
Ny hoe tia fa noraràna.

Ryana
(10/11/06)
--------
Rohy:
1607 0
Hevitra mandeha
scotlandyard ( 12/04/2007 19:33)
Iny masoandro iny sy ny hafanana entiny
Toy ny rano natsakaina mbola hody ventiny

Iny volana iny mazava sy baliaka
Nilaza fa ny fana, mety ho hatsiaka

Iny rano iny , raha nanala hetaheta
Mahafaty ihany raha nonoa tsy hita fetra

Ny zavatra rehetra iainanao androany
Tsy ho iny foana akory, fa miodina ny tany
Ryana ( 14/04/2007 17:15)
Mankasitraka!
Ryana
vanjanofy ( 27/04/2007 12:33)
Ny volana baliaka sy masoandro mody
mandalo ka tsarovy!
ny loharano an'ala, ny olona malala
hisosa sy hiala!
.... 'nga tsy manadala !???
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145