Antso ho any taniko (Salto Slam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manainga mavesatra ho any ireo ao ambony.
Fa mijaly sy sahirana izahay aty ambany.
Mitsahatra mitempo ary tsy miasa intsony ve ny fony?!?
Ka tsy hontsa sy honena mahita anay mijaly.


Mangataka!!Miantso koa ra azo atao.
Mitaky fifaliana sy ilay fiainambaovao.
Tsy ho anao irery fa ho antsika sy ianao.
Koa hesory ny fitiavantena dia ny ratsy rehetra ialao.


Miantso mitalao mitalao @izay manampanahy rehetra.
Mba hanala sy hanaisotra izay mahery setra.
Hamongotra ny ratsy sy ireo fisainana voretra.
Ka hanjaka @izay ny filaminana izay tsy manapetra.


Mangataka aho ry Andriamanitro.
Mba hilamina ny taniko.
Fa izay miantso no vonjena.
Ary izay mandondona no vohaina.
Nefa toa izay mitaraina no ratraina.
Ka ny ambany foana aloha nerena..
A/C by salto slam
--------
Rohy:
738 1
Mpakafy: Natshy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Salto Slam
Nampiditra : Natshy
Daty : 10/06/2017 08:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153