fambara (Salto Slam)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa tsy novaliako 'reny taratasinao ireny,
Matoa aho nangina tsy niteniteny,
Matoa koa aho niova tsy nety nisariaka
Ireo no fambara fa vita ny amintsika
Matoa aho tsy nandalo namangivangy anao,
Matoa aho tsy hitahita,eny,hatramin'izao
Matoa tsy mba nantsoiko 'lay boaty fiantsonao,
Ireny no fambara fa nisinda aho,nandao!
Matoa tsy nobanjiniko 'lay diavolam-pararano,
Matoa noadinoiko irony velirano, =-O
Matoa aho sahisahy nitsipak'ilay diana
Fambara retsy izany a, izaho'fa manan'olon-tiana! :-]
Mantsy aho tanilanao tsy nojinerinao akory
Fa natao ankilabao,navela oriory
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
811 1
Mpakafy: Natshy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Salto Slam
Nampiditra : Natshy
Daty : 31/03/2017 05:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135