You are here: home > Vetso

Hay soratra no talentako - Salto Slam

Ny talenta akory tsy hifaninanana.
Na hoentina miambo na hanindriana ireo namana.
Fa zava-Kanto ho entina hanaovan-tso.
Ka tsy andraisam-bola ireo Vokan-tso.
Ny zava-kanto dia mikatsaka ny lafatra.
Hanoro fahendrena sy hampita ireo hafatra.
Hifampizarana ireo manta sy ny masaka.
zay manana haingam-panahy rehetra dia any no milatsaka.
Saingy ny hay soratra akory tsy fanarian-dia
Na koa haingitraingitra na fiatsarambelatsy.
Fa ny tena haisoratra dia mahay mifamkatia .
Mahalala tsara izay aleha dia ny avanana sy ny avia.
A/C Salto Slam

Mombamomba

Mpanoratra : Salto Slam


Nampiditra : Natshy
Daty : 03/06/2017
Mpamangy : 161
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Antso ho any taniko
fambara

Hametraka hevitra

Midira aloha