ANDEHA AHO (samiir lien'ju Rafaralah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha aho ka dia veloma
Andeha aho,handaho ity tanana
Andeha aho ka dia mionona
Reo havana rehetra sy ny akama..

Andeha aho ka tsy ho hita intsony
Andeha aho,andaho ity tany
Tany izay feno fijaliana
Sy fahoriana sesilany..

Andeha aho hivadika tontolo
Tontolom-piainana any ankoatra
Na dia malaina sady kamo aza...
Efa resy ka tsy afaka ny hitroatra..

Vita zany izay ny anjarako
Sy ny fiainako teto an-tany
Fa andeha,aho hamony ilay fonenako
Izay any andanintra any..

Ka dia veloma...
Izay sisa no mba fara-teninko
Ka raha toa ianao mahatsiaro ahy
...Dia ity ny dia-peninko
Vakio fa ity sisa no hany fahatsiarovana
Navelan'ity foko efa torovana
Torovana sy trotraka aok'izany
Veloma fa andeha aho...andeha...andeha andaho ity tany..*
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1075 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah
Nampiditra : lirah22
Daty : 02/08/2016 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148