ANJELY HAFAKELY - samiir lien'ju Rafaralah
Indray hariva tamin'izay
Tao an-tanānakelinay
Nisy tovovavy iray
Izay nambabo ny fanahy.
~
Tovovavy tsara bika
Meva endrika sy kanto
Tena tsotra sy sariaka
Amin'ilay fiteny toa milanto.
~
Ny tarehy malandilandy
Manintona sy mapadangy
Ny volo misahondrahondra
Mitopatopa toy ny onja.
~
Ny fitafy Malagasy
Tsy misy pentina na tasy
Atapin-doha ka am-paladia
Tena mambabo fo maha te ho tia
Mombamomba
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah

Nampiditra : lirah22
Daty : 28/02/2017
Mpamangy : 380
Mankafy : 0
Ankafizo
Tononkalo hafa
raozytiako izy
raha maty aho
NY FAHATANORANA
MANDEHANA
FIAINAN IZANY
TSIARO NY FAHINY
SOMBIN TANTARAKO
TAMBERIM PITIA
NY FIAINANA