MBA SAINO IZANY ANIO (samiir lien'ju Rafaralah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia faly,niedinedina,ilay kiala kely fa nahazo olon-tiana
Toa nibitabitaka,ary safononoka sy ampo -pifaliana...
....
Nanolotra ny vatany,fa tsy nisy zava-patany,
Eny,hatramin'ilay voarara,dia nomena tsy ampiheverana,
Fa ity fo adaladala hono ny azy tsy mba hanenina
Ka hadera ny vahoaka ilay tokony hafenina,
....
Ataoko hoe mbola zaza,ka tsy homeko tsiny,
Kanefa hanenjik'isa hono mba faniriany,
ka havelao hiriaria,hanao izay rehetra tiany....
Fa rehefa voadona izy,handre ireo hirifiry,
....
Ry tovovavy jefijefitra,meteza re ho anarina
Ity ny tanako mitsotra raiso,tsy sanatria hadavo fa hanarina
Mba saino sy dinio fa raha toa ianao solafaka,ny alahelo mety hisava fa ny ratram-po tsy ho afaka...
....
Aza mora babon'ireo karazan-teny mamy
Fa fitaka avokoa izany rehetra izany
Ilay tena ho tolorana ny fo no andeha dinio
Ka miangavy an-tanan-droa aho
MBA SAINO IZANY ANIO
--------
Rohy:
Sokajy : anatra - Aingam-panahy
1180 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah
Nampiditra : lirah22
Daty : 04/12/2018 18:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108