miahotra (samiir lien'ju Rafaralah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aleoko kobonina fa tsy ho ambara,matahotra aho mantsy fa sao tsy ho anjara,ilay fitiavana kely hitoetra ho tantara,izay tsy maintsy ho fantatra ihany any afara...tazomina anefa vao maika mitroatra,miketrika mafy toy ny vary mandroatra,manery ahy mafy handositra hitsoaka,nefa tsy eken ny saiko ka dia aleoko navoaka...tna tsy haiko hoe atraiza no atomboka,fa toa mivaloarika aho no sady mihatsemboka,aza manody rafahamenarana,fa ny mitady olon-tina aza mila fianarana...tena midobodoboka mafy ny foko,ka ilay teny ambara aza toa tsy nisy tsaroako,fa niova tanteraka atramin'ny resaka,ka ny fiaharabana no miverina im-betsaka...tena mafy lehiretsy ty sarokenatr'ity,toa maha kely aina sy toa mampahia,ka ny aza mba voany no fanafody,fa dia mipitrapitra sy misodisody.
--------
Rohy:
889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah
Nampiditra : lirah22
Daty : 04/05/2016 17:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141