You are here: home > Vetso

NOFINOFIKO - samiir lien'ju Rafaralah


     NOFINOFIKO

mba tena tiako zao,
raha iny lanitra iny,
no takatro amin'ny
tanana

    ...
ny kitana amam-bolana
angoniko avokoa
ny avy any andrefana,
antsinanana.


ho tolarako ilay tiako,
ataoko fanomezana
sy ataonay fahatsiarovana,

   ...
ka rehefa any aoriana
dia hotsaroina foana
ireo tsiaro tsy nirodana.  
    ...
mba satriko tokoa,
raha iny lanitra iny,
no takatro amin'ny
tanana

     ...
ka angoniko avokoa,
ny rahona  rehetra
ny atsimo,sy ny avaratra
andrefana,antsinanana

     ...
mba ho eo ambonitsika
hitambatra ho orana
hanondratondraka ilay ftiavana,
ho tena paradisa
  
..... by ra  SAM

Hametraka hevitra

Midira aloha