You are here: home > Vetso

NY FAHATANORANA - samiir lien'ju Rafaralah

Araraoty lehiretsy ny fahatanorana
Soa ao an-tokantrano vao hanao adalana
Hoe mbola betsaka ireo tsy vita
Ka ndeha hamonjy alim-pandihizana anenjika sipa.
~
Araraoty r'Ikala ny fahatanorana
Fa tsy ho afaka intsony rehefa madama
Ny tokatrano tsy maintsy sahanina
Hiadidiana avokoa fanadiovana sy hanina.
~
Araraoty,araraoty io fa mandalo ihany
Nefa dinio ko ny lalan-kombany
Soa any an-kady ianao no havatany
Ka ho potipotika tena haratrany.
~
Rehefa manararaotra dia diniho tsara
Hoe mizotra amin'ny ratsy aho sa any amin'ny tsara
Soa ataony miolaka etsy sy eroa
Ka efa voadona vao ho vaky loha
~
Rehefa manararaotra koa dia mba saino ihany
Hoe mety ho tonga aiza ny hiafarany
Sao ho sodoka hiaina ny ankatony
Ka any an-tevana ianao no ahantony.

Hametraka hevitra

Midira aloha