You are here: home > Vetso

NY FIAINANA - samiir lien'ju Rafaralah

Toa mihomehy aho nefa ory
Toa mijoro nefa matory
Toa mitsiky nefa tomany
Salama ihany nefa marary.
Toa te andeha nefa malaina
Mazoto ihany kanefa kamo
Mahery kanefa savolaina
Matanjaka kanefa trotraka.
Toa mikipy aho nefa mahita
Tsy maheno nefa mandreha
Mandray kanefa tsy misy akory
Faly nefa sorisory.
Toa ambony aho nefa ambany
Toa maivana ihany nefa mavesatra
Raha lanjaina zaka ihany
Na dia somary mitambesatra.
Misamboaravoara ihany
Raha ny fiainana eto an-tany
Ka aoka re tsy ho mora kivy
Eo am-panantanterahana ny adidy
Fa ity no mba tsarovy
"fa rehefa misy fifaliana dia tsy maintsy misy fahoriana."

Hametraka hevitra

Midira aloha