You are here: home > Vetso

SOMBIN TANTARAKO - samiir lien'ju Rafaralah

Ny tantarako ve no tinao ho fantatra?
Be mistery io mifono ankamantatra
Ny kitapo tsy ahomby azy raha tsy hoe afatratra
Aleo ataoko fohifohy ary fa sao ianao ho sasatra.
Antsirabe io no tany niaviako
Tanana iray soa sy tena tiako
I Mananjara tena tsy foiko
Satria nahaterahako ka tsy ho adinoiko.
Ny fiainako ve? mapalahelo
Tena hafahafa toy ny fiainan'avelo
Aza taitaitra fa homany ny elo
Fa ho lazaiko anao na dia tsiambaratelo.
Mba faniriako ny hoe ho tafita
Hanoy ny fianarana,andeha ho any am-pita
Kanefa indrisy"lycée"aza tsy hita
Fa taona faha sivy dia tapitra vita.
Ny fahasahiranana no anton'izany
Tsy tiako ho tsaroana fa mampitomany
Na tena mafy aza ny fiainana an-tany
Mbola manantena aho ny ho tafita hatrany...

Hametraka hevitra

Midira aloha