TAMBERIM PITIA (samiir lien'ju Rafaralah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko kobonina fa tsy ho ambara
Matahotra aho mantsy fa sao tsy ho anjara
Ilay fitiavako kely hitoetra ho tantara
Izay tsy maintsy ho fantatra ihany ao afara.
Rehefa amin'ny alina aho tsy mahita tory
Toa lasalasa saina tsy haiko hoe akory
Tsy mahazo aina fa toa sorisory
Fa toa manjonintra ohatrin'ny olona ory.
Tazomina anefa voa maika mitroatra
Miketrika be toy ny vary mandroatra
Tsy ahavelona azy aho satria mbola aotra
Ka aleoko dia miandry ny fiainako ivoatra.
Dia nambarako indray fa tsy nisalasala
Satria mba faniriako ny hiantso azy hoe malala.
Dia nirediredy teo aho toy ny adala
Izy koa moa tsy niavona satria efa nalala.
Teo vao nidobodoboka mafy ny foko
Ka te hitomany aho,te hifokofoko
Fa hay ity ilay malalako tena tsy foiko
Ilay tsy noraraiko fahiny fa toa tsy tsaroako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1411 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah
Nampiditra : lirah22
Daty : 07/09/2016 17:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145