You are here: home > Vetso

TSIARO NY FAHINY - samiir lien'ju Rafaralah

Misento manirery aho
Mahatsiaro indray ny lasa
Fa ilay tantara efa vita
Toa tsy mety ho voafafa.
~
Hiezahako totofana
Nefa voa maika toa mitsimoka
Ra mbola tia anao aho
Angamba tsy ho tsiniko.
~
Ianao tokoa ilay tokana
Nanborahako fitia
Ka ny anaranao tsy ho adinoiko
Mandrak'izay doria.
~
Miraikitra tsy miala
Toa mila halasa adala
Satria toa vita sokitra
Izay tsy mety ho fafana.
~
Ilay tsikinao malefaka
Tiako mbola hitoetra
Mbola tsy foana tato anatiko
Ny momba anao rehetra.
~
Mbola tiako raha miverina
Eto izany ankehitriny
Tsiaron'ireo lasa
...Lasako fahiny.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha