VIDIN-DRANOMASO (samiir lien'ju Rafaralah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh! Dia izaho irery sisa ity
No mamisavisa ity fiainana
Toa tsy mba misy afaky ny hanampy
Na mba azoko hitarainana.

Manilikilika ahy ireo fiaraha monina
Toa miha betsaka ireo mpankahala
Tsy maintsy izao ve no mahazo
Rehefa tojo fahatrana!?.

Mangidy loatra lahy ny vahona
Nefa mbola azoko hiafiana
Toy izay ity fiainako
Izay tena feno fijaliana.

Tsy misy vidiny ny fiainako
Raha mitaha amin'ny any hafa
Tsy mb misy mihaino ity tarainako...
Tarainan'ity olona mahantra.

Malahelo aho nefa atao ahoana?
Izany tokoa ny fiainana eto an tany
Lehilahy koa ny tena
Ka hiezaka ny hitraka hatrany.

Betsaka ireo mpisopatra
Sy ireo mpanao akaso
Nefa zao re no mba hafatro
Fa mbola hovidiana lafo ILAY VIDIN-DRANOMASO...

SAMIIR J&R
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
1038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah
Nampiditra : lirah22
Daty : 04/08/2016 10:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149