Adalana ve sa...? (SANDRATRA TONTOLO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na izaho na ianao
dia samy tsy nisy nanampo
fa hoe hiafara @zao
ilay fifandrasantsika roa

Fotoana tsy nampoizina akory
ny nampitsiry ilay pitik'afom-piia iray
fitia nidongy ny ho eo an-tsisin'ny fony
na dia fantatra aza fa tsy ho mandrakizay

Eny,hatrany am-piandohana no efa fantatra
ary izany no nahatonga antsika hifanafatra
fa na izaho na ianao efa samy manan-tompo
nefa dia niaraka an-tsokosoko

Dia nifandimby teny ny andro sy fotoana
izaho sy ianao mbola teny foana
toa samy tsy te hamoy
ilay fiarahana fohy

Nisy hery nampifanantona tokoa ve izaho sy ianao?
sa dia adalana na koa hoe fanalana azy tsotra izao?
asa? fa na izany aza ny saiko aloha tsy hino
hoe na ireny aza ny lasantsika izaho tsy hanadino
--------
Rohy:
4694 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA TONTOLO
Nampiditra : tontolo
Daty : 14/07/2009 06:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136