Tiako ianao - SANDRATRA TONTOLO
Raha mifoha aho ny maraina
dia ianao no ao an-tsaina
Ilay tsikinao tsy misy mpanana iny
no hery ho ahy ankehitriny
Raha mirana ny tavako
ary raha vao misokatra ny vavako
dia ny anaranao no voatonona
dia injay aho lasa amborona
tsy haiko hoe izany ve no tia sa manina?
fa ny tontoloko rehetra feno anao daholo
tsy mifidy na andro io na alina
fa tena ny fiainako manontolo
Ny tiako ha tsapanao dia ny hoe tiako ianao
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
tsiambaratelo (02/07/2009 06:00:33)
fahamarinana (02/07/2009 21:04:22)
Tena sambatra marina izy araka ny lazain'ny namana eo ambony !