Tiaviko mangiana (SANDRATRA TONTOLO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tiaviko mangiana ianao
ka na ianao aza tsy hahalala
fa ao aneritreritra ao
no iantsoako anao hoe:malala

Ho tiaviko mangiana ianao
ka ataoko tsy misy mahafantatra
hoe ny ao anatiko ao
tena babonao fatratra

ny toerana mba hiaonantsika
mbola ao aneritreritra ao ihany
ao isika tsy misy mpahita
raha mbola eto an-tany

fa tsy sahiko mantsy ny hiteny
sao ho lavinao ilay ao anatiko ao
ka aleo ho ahy irery
sy mitia mangiana toy izao
--------
Rohy:
5137 2
Mpakafy: Zozoro - maeva74
Hevitra mandeha
Zozoro ( 25/06/2009 18:49)



Misaotra fa mahay ny mpanoratra. Mankasitraka Tontolo â!

tiako ny vetsonao.
Zozoro ( 25/06/2009 18:49)




Misaotra fa mahay ny mpanoratra. Mankasitraka Tontolo â!

tiako ny vetsonao.
Zozoro ( 25/06/2009 19:14)
Tsy hoe fahalemena na koa akanosana,,
Tsy maninona raha toa ka raisinao ho adalana
Nefa aoka aloha aho hiaina amin'ny nofinofy,
f'izay aloha hatreto no mba mpandrotsirotsy.
tontolo ( 30/06/2009 12:26)
misaotra ihany koa mankafy
fahamarinana ( 02/07/2009 19:03)
Mety havesatra be zany fitiavana mangina anaty zany rahatoa ka tanana hatrany fa tsy lazaina ilay olon-tiana ! Tsy ho zaka fa hiafara tantara hafa !!...
Mampalahelo idray raha izay no marina !Lasa lavitra ilay aingam-panahy !Asio setriny mahafalifaly moa !hihi !
maeva74 ( 02/07/2009 20:18)
Ilay fijerinao mangina
Dia ampy halalako
Ilay fitia notehirizinao
Mba ho ahy re ry Tiana

Tsara ilay tononkalo nefa mankarary raha tehirizina be indray sa ahoana?
tontolo ( 10/07/2009 06:39)
marina avokoa ny voalazanareo nefa ny faniriana rehetra tsy voatery ho tanteraka ka sao vao mainka hampitombo ilay efa iaretana
jazzsoulja ( 01/12/2015 18:54)
Ataoko angamba fa diso ilay nitia nangina, satri mankarary fo ny fitia tsy aboraka,ary miafara @ famoizam-po.

Nefa tsara ny sangan'asanao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA TONTOLO
Nampiditra : tontolo
Daty : 24/06/2009 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212