You are here: home > Vetso

EMBONA MANDALO - SANDRATRA

Raha mifoha aho ny maraina
dia ny anaranao no tao an-tsaina
izay manaitra ny fo sy fanahy
satria voatonona tsy nahy

Olon-kafa mantsy izao
no indro mitantana anao
nalaingosany ianao mba ho azy
ka napetrany ao anaty vazy

Tsy hoe handrava ilay fitia
no hanoratako ity
fa embona mandalo
no lasa tononkalo

Sokajy : embona

Hametraka hevitra

Midira aloha