MATOKIA (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ho vy na ho vato
na ho na ho afo
dia matokia ry malala
fa ny fitiavako tsy hiala

Na ho tsiky na tomany
na ny ngidy na ny mamy
matokia ary aza miahiahy
f'ianao no efa ahy

ka n'inona n'inona mitranga
noho ny atraky ny tany
matokia fa ny fitiavako tsy ho banga
fa hitombo hatrany hatrany

Ka ny toky izay nomeko
fony tany am-piandohana
dia hinoako sy ekeko
fa tsy azo n'iza ho rarana

tiako ianao,tena tiako
tsy arira na angano
fa hany lalaiko sy faniriako
ny haka anao ho tokan-trano

Kany tanjona kendrena
sy tiako haraikitra ho tantara
dia ilay mariazy volamena
eo ambon'ny altara

hifanolotra peratra
hifanaiky ho mpivady
ka hiaraka hiteraka
zazalahy sy zazavavy
hitambatra ho iray
ho iray mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2731 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 31/03/2006 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145