Tena fitiavana (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny aminao efa haiko tsianjery
satria ianao dia ahy samirery
indrindra fany anaranao
tsy mba afaka ao am-bavako ao
ilay endrikao sarika mibanjina ahy
ampianao tsiky mambabo ny fanahy

Nitia anao aho hatramin'izao
tena fitiavana fa tsy kilalao
ianao koa torak'izany
tena fitiavana fa tsy aniany
fitiavana no niarahantsika roa
ka tsy hifandao n'inona manjo

Ankehitriny feno sedra ny fitia
tsy miafina amintsika koa anefa ny olana sedraina
nefa tsy ataontsika hampahia
ary koa hampiferotr'aina
fa hiaraka foana izaho sy ianao
ka na any an-danitra any aza tsy hifandao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
44545 8
Hevitra mandeha
Ingahy ( 12/01/2006 18:07)
Mahafinaritra ilay tononnkalo fa raha hijery ny andininy faharoa ohhatra isika ny andalana roa farany tsy miady rima amin'ny fanoratana
Tsara anefa fatohizo ny ezaka maherez'ô
Ingahy ( 12/01/2006 18:07)
Mahafinaritra ilay tononnkalo fa raha hijery ny andininy faharoa ohhatra isika ny andalana roa farany tsy miady rima amin'ny fanoratana
Tsara anefa fatohizo ny ezaka maherez'ô
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 06/01/2006 05:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144