Ibitsiho ! (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ibitsiho aloha ny fo,
Vao mitetika ny hitia !
Ibitsiho indray mandeha,
Vao misisika hankafy !

Fa mbola misy fo
ankiray tsy fantatrao !
Io 'lay fo nampisy fo
Ibitsiho aloha fandrao ... !

Raha nanaiky inty matoa ?
Ibitsiho ilay faharoa !
Moa nandà ny tena soa ?
Ndeha fatory ny ambom-po !

Fa mifameno loatra izato bitsik' izy ireo !
Ka tsy afakao sarahina
Aingan' ny tontolo, toa bitsika maneho ...
Ny endri-bolamena, sy ny hiran' ny varahina ...

Ka ô ry tiana mitandrema !
Aza dia miantehitra amin' ny fon' ny tena irery
Fa ibitsiho aloha ny roa, ka farito am-pahendrena !
Ny anjara izay tinolotra ho safidy iray mahery ...
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
949 2
Mpakafy: toavinay - Tojonyomaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178