Ny fahasarotam-piaro (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)
Ny tovovavy ve !
Raha ny tovovavy no antsoiko ho saro-piaro !
Tsotra be ny antony
Satria tiany ianao ho azy irery
fa tsy hitambarany amin' ny hafa
Ary ao anatiny ao ny ventso sy ny hira ...
Hanaja ilay safidy amin' ny andro sisa hodiavina ...

Ny tovolahy indray !
Raha ny tovolahy kosa no lasa saro-piaro
Aoka Ikala hitandrina
Fa sahady filàm-baniny iny
Midika faniriana, hoe leo ka te-hisaraka
Babon-drendrarendra , dia nisaina ny handao , nieritreritra ny hiala ka : "nody saro-piaro" !

Fa ny fahasarotam-piaro
Mety ho hevitra fitiavana ...
Fa ny fahasarotam-piaro
Mety ho hevitra fandavana ...
Fa ny fahasarotam-piara
Mety ho marika fitia
Fa ny fahasarotam-piaro
Mety ho fihatsaràna ivelatsihy
--------
Rohy:
1872 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107