Ilay toakako (Lemady)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io f'ao indray zokilahy, efa tena tompo-trano, anoloan'ny toaka sy ny tsaky keliny.
Efa zatra loatra angaha, fa toy ny hoe misotro rano, mamy ery raha ny fiteliny.
Ny endriny ihany dia maneho, ny antony tsy hafoizany azy, na ohatr'inona ny ho lany.
Fa izy raha niditra teo, kivy nilaozam-bazivazy, izao jereo "faly anie izy izany e!"

Toa adinony ireo ahiahy, ny fahasahiranana sy ady, f'endrey izato hasambarany.
Hila ahatoraka ny ahy, miaina paradisa sahady, anilan'ny tiako sy ny hatsarany.
Ireo fitiavana atolony, no masoandroko maraina, kintana ravaky ny aliko.
Ilay manoroka ny molony, sy izay tsy azo tantaraina, maro be tsy ho voatotaliko.

Jereo anie ity zokilahy, noheveriko mba mahafehy tsara, ity rano izay tsy foiny.
Nanjary lasa sahisahy, ataony misamboaravoara, tsy tompony tenany intsony.
Ireo tsy zaka sy tsiambaratelo, voaventiny avokoa , tsy misy izay tsy voalaza.
Mandoa sy mibaka lelo, mila ady etsy sy eroa, nefa tsy hay na mandeha aza.

Ndri izato izy mahonena, ataony mandry ery an-tatatra, ny hafa ery misotro ihany.
Ty za tsy mba mandini-tena, dia mandatsa azy fatratra, nefa latsaka ambany dia ambany.
F'ilay malalako omaly, efa an-tsandrin'olon-kafa, f'izy hoe ilay tena tiany.
Namela areti-po sy jaly, ny ranomaso tsy voafafa, tsy mety mino hoe nariany.

Iny eny izy fa nivoaka, toa malaina dia malaina, fa tsy maintsy mikarama.
Mbola makafoka ny taoka, fa tsy sahy mitaraina , mangan'ny fianjerana.
Tsakotsakoin'ny nenina, mivalo tsy hanao intsony, fa gotry sy afa-baraka.
Tsy niandry ho tenenina, fa mivoady amin'ny ao ambony, hifady zavatra tsy zaka.

Voany mafy ianao rahalahy, k'aza mierika any akory, izay no hany mba hafarako.
Fa toy izany koa anie ny ahy, ilay kiala nampahory, nataoko nahalala ny anarako.
Nomeko teny maharary, nanamparako ny foko, kay olona tsy faka vady.
Vehivavy tsy manjary, na hifona aza tsy ho enoiko, na hitalao handadilady.

Andro vitsy ihany no lasa, dia io sahady fa tsy laitra, te hiaina ny taloha.
Toa nivadika ny rasa, f'izy nampitondrain-takaitra, no nanembona voaloha.
Tsy ilay voady no mametra, miaro azy tsy ho solafaka, iny efa nampamangy.
Fa ny atin'ny ity poketra, hatreto aloa tsy mbola afaka, hahazoany ilay tavoahangy.

Resy ialahy sa mankafia, vao misy kely ny ho enti-manana dia miverina tsikelikely?
Ry ilay mamo lava ity, ny adalan'ialahy tsy hay sakanana no tahafiko atao modely.

Io f' ao indray izahay roalahy,
samy amin'ny toakany avy
ninia namafa ny efa lasa.
...
--------
Rohy:
1277 1
Mpakafy: lemady
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lemady
Nampiditra : lemady
Daty : 12/02/2019 12:40
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146