Tokim-pitiavana (extrait) (Lemady)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.............................................................................

Ka inona ary no anoharana
ilay fitiavana hila hamaky
ny foko kely anatiko ao?
Tsy hoe fitia varavarana,
tsy sanatria fitia paraky
ka ho arorako ihany ianao.

F'ilay nahary anao tarehy sy bika,
Dia ilay Andriamanitra Tsitoha,
mpandahatra, mpikolokolo.
Toy ny itiavany antsika
no itiavako anao koa,
ilay Jaona telo enin'ambin'ny folo.


 Fitiavana MANOME

Na izay sarobidy indrindrako,
raha toa k'izay no hahatsara,
omeko anao f'izaho tsy hisorona.
Ny an'ilay Ray izay ahindrahindrako aza
na isika nanao izay voarara
mbola namoizany anaka ho sorona.

 Fitiavana TSY MANARY

Mety efa nampigokanao
mangidy mafy ny mpivadi-dela,
nampiaina sento sy alahelo.
Izaho kosa tsy mba handao,
toy ilay Ray tsy tia mamela
antsika ho very eny amin'ny helo.

 Fitiavana MIKATSAKA FIADANANA

Kasaiko ianao an'ankohonana:
feno hasambarana, maharitra,
tsy orim-pitiavana sy harena.
Tahak'ilay Ray efa nanomana
paradisa mahafinaritra
ho an'ireo izay ho vonjena.


Ny azy Tompo ny omeny
handray ny teny fikasany
dia izay rehetra mino azy.
Fa ny andrasako dia ENY,
tena avy any am-ponao any,
tsy am-pitserana na vazivazy.

.........................................................
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - manokana - Fitiavana
4491 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lemady
Nampiditra : lemady
Daty : 18/11/2018 12:48
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101