I kala anona (Lemady)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô, hoy ianao hoe:

"Tsy tsara ny lahy raha irery."
Te ho roa aho izao ka mijerijery
vehivavy ampakarina ho vady.
Zao nataonao sendra ahy ilay kinasako.
Ondrinao, mahafeno izay nandrasako.
Nambabo ahy rehef'ela nitady.

Efa fantatrao ilay tiako ambara.
Mitovy endrika aminao ka tsara.
Nanintona ahy raha samy ankizy.
Raha tsy misy izay mety ho sakana,
ka iriny koa izahay iray lakana,
Aoka ho taolantehezako anie izy.

Ianao Tompo ô!
Mpanendry ho an'ny tsirairay,
Ilay tompon'ny fiainany hatrizay
no angatahako azy ho anjarako.
Voleo fitiavan'ahy am-pony
mba tsy isalasalany intsony,
hanaiky itondra ny anarako.

Tompo ô! Sarokenatra aho kanefa
Lavitra, tsy mahita teny ho alefa
Akaiky, moana tsy mahaloa-peo.
Omeo fahasahiana aho tsy hitsahatra.
Tariho hahay handresy lahatra.
Vonony hiatrika izay mety hiseho.

Lehibe sy Hendry ianao ry Raiko
ka tsy izay izaho no anome baiko
izay hitondrananao ny fiainako.
Fa izay lahatrao anie deraiko.
Na tsy omenao izay andrandraiko
dia mahasoa ahy ka tsy itarainako.

Fa na ho an'olon-kafa izy na ho ahy
dia arovy amin' ireo fakam-panahy
Mikendry hanimba ny fahatanorany.
Ianao hanome vady mariazy
Izay tena tiany sy tia azy
Hahasambatra azy ety an-tany.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fitiavana
991 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lemady
Nampiditra : lemady
Daty : 18/11/2018 12:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162