Ampitapitao (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPITAPITAO

Mba hiangaviako anao ity taratasy ity :
Omeo azy any !
Fa lavitra ny lalana;
Ary manginy eny ny sakan –tsy voaisa
Sy ny elanelan –tany ;
Tetezana aza rava !
Ka ampitao ity
Ho tonga vetivety, hivantana any an –tranony :
Ataovy TANAN-DAVA !

Ny fiainana any hoe
No banga ny fitiavana
Sy ny ady ifanaronana;
Ary izany izao no mbola itolomana !!!

Raha sanatria ‘nareo
Ka tsy hifankahita tava
Dia iangaviako indrindra :
“Omeo azy ity
Dia ataovy TANAN-DAVA „

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In –TANAN-DAVA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1301 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 04/06/2004 09:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148