Ampitapitao (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPITAPITAO

Mba iangaviako anao
Ity taratasy ity
Omeo azy any;
Fa sarotra ny lalana;
Ary manginy eny
Ny sakan -tsy voaïsa
Sy ny elanelan -tany,
Tetezana aza rava.
Ka ampitao ity
Ho tonga vetivety
Hivantana any an -tranony,
Ataovy TANAN - DAVA

Ny fiainana any hoe
No bangan'ny fitiavana
Sy ny ady ifanaronana;
Ary izany izao
No mbola itolomana !

Raha sanatria ianareo ka tsy mifankahita tava;
Dia iangaviako indrindra :
Omeo azy ity,
Dia ataovy TANAN - DAVA

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
2390 2
Hevitra mandeha
Addy ( 09/07/2004 22:18)
Rima inona no ampiasainao eto? Tsy izay te ho poeta akory no ho lasa poeta. Tsara ity tononkalo ity fa tokony natsaraina kokoa ny rima. Jereo ny gadona ampiasaina. Ireo roa ireo miaraka @ sarin-kevitra isan-karazany mifameno no manome ny kanto. Mahereza dia tohizo fa tsara.
jogla ( 11/10/2006 09:22)
marina ny voalazanao fa tsy izay te ho poeta akory no ho lasa poeta SAINGY ALETEHO AO AN-DOHANAO FA TSY IZAY TONONKALO MIADY RIMA IHANY NO TONON-KALO fa misy gadona ao ity tonokalo ity dia voasokajy ao anatin'ny tononkalo tsisy rima saingy manana gadona tsy takatry ny fohy fisainana.
misoatra

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103