Antson'ny poeta (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSON’NY POETA

Rehefa ny kotaba no nitsahatra nangina
Dia ampoka amin’ny tanjona ny hetahetam –pony
Na leon’ny kiriana !
Mangina dia mitoetra, mifitsaka amin’izao;
Tsy taitra-kambo intsony !

Ary ny POETA, ny aingan’ny fanahiny ?
Natory tsy nahatsiaro ny tokontanin’adiny
Fa teo dia nitoetra :
Ny tabataba arỲ, tsy misy andrapahana
Ny setroky ny jaly, hiaka ranolava,
Ny fiakatry ny fiainana?
Niteraka herisetra;
Maso firifiry no jembin’ny tomany,
Nefa ilay POETA toa mandry fahalemana :
Tsy nisy reny izany !!!

Kinanjo vetivety, naneno akoho sahady;
Nisikin –dranomainty sy nisampin –tsoratra
Ilay POETA taitra tanaty torimasony,
Ka roso moramora…
Injao ny antsoantson’ny sento sy taraina
Fa mainka koa misonga, manakatra ho ambony;
Nisento ilay POETA… niainga ny fanahiny !
Tampotampoka eo, voadÃ’na koa ny fony
Injay ny kiririoka… nivoha ny vavahady…
Nivoaka ilay POETA… raikitra ny ady…

“Omeo ny fiandrianany ireo VAHOKA ireo !
Fa lanaky ny tolona : TOFOKA SY LEO !!!”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015