You are here: home > Vetso

Aza - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

AZA

Atomory hitatatata
Eo am – poto – tsofinao
Ny horakoraky ny maro;
Raha tsy mbola mahakivy
Sy tsy manakotsako anao
Ny fahoriana iondrehanay.

Aza asiana voninkazo
Novidiana lafo akory
Ny arabenay mahantra,
Sao hanjary fandatsàna !

Ary aza asiana maso
Mitsiditsidika ny ory
Raha tsy vokatry ny fo;
Sao ny fahoria –mangidy
Efa izogain’ny ambany
No zary ho tohatrao indray !

Aza alofam –boninkazo
Ny valam –paritra malazo !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Tsarafaritra – TSIMBAZAZA, 2002

Sokajy : Politika

Hametraka hevitra

Midira aloha